Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Mila fandriampahalemana hamokarana fa ny vola tsy azo hohanina”


  • Alarobia 25 Mey 2022

Tsorina fa mbola tsy mahaleontena ara-tsakafo I Madagasikara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.

Tsy ampy, hoy izy, ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Eo ny tsy filaminana izay tsy ahafahana mamokatra mihitsy. Tsy afaka hiasa koa ny olona rehefa tsy ampy sakafo. Matoa ianao manafatra vary 20 sambo dia tsy mamokatra ny taninao. Mahantra ianao. Tokony ho mpamokatra sakafo isika raha ny toe-tany eto no jerena saingy ny mahakivy ireo tantsaha dia ny tsy fanohanan’ny fitondram-panjakana azy ireo na eo amin’ny lafiny masomboly io na izay rehetra tokony ho volena eto. Tokony hidina eny ambanivohitra hanatsara izany fambolena izany ny tekinisianina. Talohan’ny fiakaran’ny vary sy ny fanetsana aho no efa niteny hoe hampidino io vidin-jezika io. Ny zezika “urée” 11 22 16 teo no efa tafakatra tany amin’ny 200.000 ariary mahery tany. Izahay koa mamboly ary tena mahatsapa izany hoe enjana ilay vidina zezika. Tsy zakan’ny tantsaha ary rehefa ny zezika no ratsy dia tsy afa-mamokatra koa ny tany. Izany rehetra izany dia miteraka krizy eto amin’ny firenena. Anaty fararano isika ity vao hiheritreritra hoe ahoana ny ahatongavana amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo? Efa miaka-bokatra isika izao ary tsy dia nanjary ny vokatra teo satria maivamaivana koa ny voam-bary tamin’ity noho ny toetr’andro sy ny tsy fahampian’ny zezika sy masomboly. Variana loatra any amin’ny politika isika mianakavy dia tsy miheritreritra ilay tena maha ory ny malagasy. Any amin’ny fanampiana ny tantsaha amin’ny resaka voly avotra toy ny ovy sy karoty indray izany izao no ifantohana satria ireny no azo atao amin’izao andro ririnina izao. Mila fandriampahalemana aloha I Madagasikara ahafahan’ireo tantsaha ireo mamokatra fa ny vola tsy azo hohanina. Tsara ny fikaonan-doha ara-tsakafo fa tsy vita eny ambony latabatra io fa mila fidinana ifotony ny fampianarana ny tantsaha ahazoana vokatra maro sy anaty fotoana fohy. Ampidiro anatin’ilay fikaonan-doha voalohany ireo tantsaha, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Legende: Ralaiarimanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT