Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Mila ezaka be i Madagasikara”


  • Alatsinainy 28 Jona 2021

Tsara ny famirapiratana mankalaza ny fahaleovantena, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana,

 

 

naneho ny heviny mikasika ny fanamarihana ny fetim-pirenena tamin’ity taona ity. Miantraika amin’ny fiainam-bahoaka ve nefa izany, hoy izy. Manao ahoana ilay fahaleovantena? Mbola mila ezaka be izany Madagasikara izany ary mbola tsy afaka mihambo ho mahaleotena isika raha tsy tena miady izany amin’ny zavatra ataony rehetra ny Malagasy. Mbola tsy mahavita tena ara-tsakafo akory isika. Mbola miankin-doha amin’ny firenen-kafa, izany hoe, mbola tahaka ny zaza fahanana ihany satria saika hafarana any ivelany avokoa ny filantsika rehetra. Ny herinaratra koa io izao mbola olana nefa isika manana tekinisianina maro. Vahaolana maika ny ady amin’ny fahantrana. Mila mitodika amin’ny famahana ny ifotony ny fanjakana dia ny fandriampahalemana aloha voalohany indrindra mba hiasan’ny tantsaha am-pilaminana. Na inona na inona tsinona atao ka tsy ampy sakafo isika dia hifamono am-pitoerana sy hifangalatra eto fotsiny isika. Ny fanampiana ny tantsaha no ivo hahafahana mampandroso ny resaka indostria sy ny hafa rehetra. Manana voanjo isika eto, ohatra, dia ireny no tokony hampiroboroboana ny famokarana azy eto an-toerana mba tsy hanjakan’ny any ivelany ny fifehezana ny vidi-menaka anatiny fa mba hananganantsika indostria vaovao mpamokatra menaka ankoatry ny efa eo koa. Manana fary koa isika hamokarana siramamy. Midina ho azy ny vidin’entana rehefa omena sehatra ny famokarana anatiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT