Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Maika ny fanarenana ny lalam-pirenena rehetra»


  • Zoma 04 Jolay 2025

Miteraka zavatra be dia be ho an’i Afrika io olana iraisampirenena ankehitriny io,

hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Isika izao mpanafatra solika, hoy izy. Mety hisy ny fiakaràn’ny solika. Mandeha ny ady. Hifamezivezy ny fitsinjaràna fitaovam-piadiana ary mila solika sy lasantsy izany. Mety hisy fiantraikany atsy ho atsy eto Madagasikara izany. Ankilany, ity olan’ny rano sy herinatra eto amintsika ity, izay tena maharitra. Noho ny tsy fahampian’ny vola ve sa solika? Solika no ankamaroan’ny mampiodina ny JIRAMA ka raha tsy olon’ny fahamarinana izany no mitantana ao dia ho sarotsarotra ihany satria ny olona miha sahirana ny zava-drehetra miteraka fakam-panahy. Tsy ferana ny fanodinkodinana izany solika izany, araka ny efa nambaran’ny filazàm-baovao samihafa farany. Ny vahaolana aloha tsy misy afa-tsy ny fitrandrahana ireo barazy na angovo azo avy amin’ny rano toa an’Andekaleka ihany. Raha tena miasa ireo tekinisianina manoloana ireo angovo sy rano hananantsika ireo dia efa voavaha io olan’i Madagasikara io. Lany amin’ny filaharana rano amin’ny zerikanina mavo na «bidon jaune» izao ny fotoanan’ny olona dia tsy afaka mamokatra intsony. Miteraka fahantrana izany fa tsy fandrosoana. Mila mandroso aingana isika nefa izany no zava-misy. Hanentana momba ny fahadiovana isika nefa rano tsy misy. Ny lavapiringa aza izany lasa voatery miverina mandavaka indray. Io izao ny olan’ny solika dia hoe tsy maharaka ny mpitatitra fa ratsy koa ny lalana. Inona izany no maha maika amin’ny lalambe migodana na «autoroute»? Ny dikan’izany dia maika ny fanarenanana ny lalam-pirenena rehetra! Ny lalana no lalan-dràn’ny firenena hampiakarana ny vokatra. Mila voky aloha ny olona ahafahany mamokatra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT