Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Laharam-pahamehana ny fifidianana filoham-pokontany”


  • Zoma 24 Febroary 2023

Mankahery ny Malagasy, indrindra, ireo faritra nolalovan’ny rivodoza, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.

Mirary soa antsika rehetra tsy ho kivy, hoy izy, fa ho mpandresy hatrany. Na hiova foana aza ny governemanta, faninenina izao, dia tsy hisy mihitsy fampandrosoana fa mila tombanana aloha hoe nanao ahoana ny vitan’ireo teo aloha. Toa tsy nisy hitan’ny vahoaka izany? Ity fitondrana ity angamba no nanova governemanta im-betsaka indrindra hatramin’izay nisy teto Madagasikara. Mitory sahady izany fa tsy dia nisy fahombiazana ilay fitantanana. Atao miala fotsiny tsy voahadihady ve izany ilay mpikamban’ny governemanta niala? Mitory hakanosan’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra izany satria tokony hampahafantarina ny vahoaka hoe maninona ity minisitra ity no nesorina? Governemanta hikarakara fifidianana angamba no azo ilazana io governemanta vaovao io. Tsy hahavita fahagagana izy raha resaka hafa ankoatran’izay satria anaty fahavaratra isika izao, anaty krizy. 6 volana nefa no hananany. Ny soso-kevitra omena ilay governemanta dia hoe mahaiza miray hina. Aza mampiseho ady imasom-bahoaka! Raha tiana ny hisian’ny fifidianana mangaraharaha dia laharam-pahamehana ny fifidianana filoham-pokontany. Ny olona tendrena tsinona manana hena-maso amin’ny nanendry azy. Tsy mila volabe izany fifidianana filoham-pokontany izany nefa ahafahana manome fahefana olona itokian’ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT