Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Izay tian’ny vahoaka hiara-hiasa aminy no afaka mampandroso azy!»


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

Hirariana mba hilamina sy handroso amin’izay ity firenentsika ity, hoy ny Kristianina

mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Rehefa mandinika ny tranga miseho etsy sy eroa, hoy izy, dia iaraha-mahita fa tsy milamina ny firenena. Mbola miteraka olana ny fifidianana lazaina fa manakaiky vahoaka satria raha ny tena marina dia tokony hahalala izay tena nofidiany marina ny olona any ifotony. Resaka ben’ny tanàna izany, resaka iray andro dia efa tokony ho fantatra hoe iza no lany? Izay ilay hoe ilaintsika ny fahamarinana amin’ny zavatra rehetra. Mila mandinika ny tena zava-misy any ifotony ny fitondràm-panjakàna. Inona moa no fampandrosoana ho vitan’ny olona tsy lanim-bahoaka akory? Izay tian’ny vahoaka hiara-hiasa aminy no afaka mampandroso azy! Tsy maintsy hiteraka korontana foana izay napetraka tsy tamin’ny fahamarinana. Raha te hiverina amin’ny fampanjakàna ny fahamarinana nefa dia mila mijery mampianatra ny maha olona anao. Inona no maha olona anao, ijoroanao, antom-pisianao? Raha hamaly moa ianao hoe ny antom-pisiako ety dia hangalatra dia lasa mpangalatra ianao. Rehefa manjaka ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola na harena dia izany no alehany. Tadidio nefa fa mpivahiny isika ety. Ny mpitondra koa dia mila mametraka fanontaniana amin’ny tenany. Mila manontany ny tenany ny mpitondra hoe inona no antom-pisiany ety an-tany ety, hoy hatrany ity mpandinika ity?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT