Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Hiteraka fahantrana ho antsika ny famotehana ny tantsaha”


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Tena anaty fotoam-pambolena isika, raha ny mikasika ny tantsaha no ambara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, nefa hita ho tena miady irery koa izao ny tantsaha.

Mafy ny mahazo azy, hoy izy. Eo ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahampian’ny zezika satria na inona atao rehefa io no tsy ampy dia tsy afaka hamokatra ny tantsaha. Rehefa ny tany no tsy voavolavola sy voavadibadika ary tsy ampy ny singa ao aminy dia tsy hamokatra mihitsy izy. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana mikasika ny hoe aiza marina ny tena tokony hanampiana ireto tantsaha ireto? Toa vao mainka mahantra ilay tantsaha satria ny vidin-jezika dia efa any amin’ny 200.000 Ariary any raha 11-22-16? Ny ankamaroan’ny tantsaha izao dia miditra amin’ny fampiasana zezi-pahitra na fako amboamboarin’izy ireo. Ny omby kely teo am-pelatanana aza lasan’ny dahalo indray nefa tsy afa-misaraka amin’ny tantsaha. Izany no mahatonga ny fihenan’ny vokatra be dia be eto Madagasikara fa tsy hoe fanaovana vary ketsa na fivarotana masomboly araka ny nambaran’ilay tompon’andraikitry ny minisitera farany teo iny. Eo koa ny toetry ny andro. Nalady avy nefa ny orana tamin’ity taona ity ka enga anie hitohy. Tsy tokony hanafatra vary izany isika raha tena voatrandraka ireny barazy rehetra ireny. Mila olona tena mahalala tsara ny ilain’ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra isika. Hiteraka fahantrana ho antsika ny famotehana ny tantsaha. Firenena tsy ampy hanina no manafatra sakafo. Raha izao velarantanin’I Madagasikara izao nefa tokony tsy hanafatra vary na sakafo avy any ivelany mihitsy fa isika tena ilaina mifanampy amin’ny alalan’ny fanamorana ny fanafarana fitaovana iasan’izy ireo. Tokony tsy hisy hetra alain’ny fadin-tseranana amin’ireny. Ny tena tantsaha rehefa miakatra io vokatra io dia tsy maintsy manala masomboly hitsinjovany ny voly hoavy. Mirary ny soa indrindra ho an’ny tantsaha sy ny malagasy rehetra ho eo ambanin’ny fitahian’ny Tompo mandritr’ity 2023 ity, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija
Legende: Ralaiarimanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT