Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Betsaka mpaminanin’i Satana eto”


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Iaraha-mahalala, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, fa ny fahapotehan’ny tontolo iainana ankehitriny no mampiovaova ny toetr’andro.

 Betsaka no mahatonga izany, hoy izy. Eo ny ozinina mamoaka entona, ny doro tanety, ny famotehana ny ala izay tokony hanome rano amin’ny andro mafana toy izao rehefa mankeny amin’ny habakabaka ny entona aminy. Potika ny ala ary miha ritra izy eto Madagasikara. Mila hentitra ny fomba fambolen-kazo. Betsaka ny hazo maniry, raha tsy hilaza ny kininina ao Manjakandriana, ohatra. Ireny anefa dia isan’ny manimba tontolo iainana koa satria mifoka rano ary mandritra loharano ny fakany. Manimba azy koa ny tantsaha manao saribao. Hambolena katsaka sy mangahazo avy eo ilay toerana, toy izay hita amin’iny faritr’I Betsimisaraka iny. Ilaina ny fampianarana ny tantsaha hikolo ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny famadibadihana ny tany efa misy hampanjary ny fambolena amin’ny alalan’ny fampiasana zezika biolojika maha lonaka ny tany sy hisarika azy ireo tsy hanapaka ala intsony. Manana andraikitra maro ny fitondram-panjakana satria vola amina miliara maro no natokana hanatsarana ny tontolo iainana nefa toa tsy misy fiantraikany any amin’ny tontolo ambanivohitra loatra? Tokony entanina hikarakara ny tontolo iainany ireo tantsaha manamorona ala satria matetika tsy voajery ireny. Ohatra amin’izany izao io Mandraka io, ao ny JIRAMA, ny Andekaleka. Mila ampianarina tsy hamotika ala intsony fa hiompy tantely, ohatra, ny mponina ao anatin’ireny. Manoloana ny zava-misy sy amin’ny maha Kristianina dia hita fa be dia be izao ny mpaminany toa maminany zava-dratsy foana! Faminaniana avy amin’ny Satana no tena hita amin’izao ary betsaka mpaminanin’i Satana eto satria, raha ireo naminany tao anaty baiboly dia saika nanome vahaolana hisorohana ny loza tsy hitranga foana. Ohatra amin’ireny i Jonah tao Ninive sy i Josefa raha naminany mikasika an’i Egypta, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT