Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Atonony ny tetiandro natolotry ny FFKM»


  • Talata 09 Desambra 2025

Lalàna, fitsipika, fampandrosoana no

resaka dinihina anatin’izany atao hoe fikaonandoham-pirenena izany, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Tsy azo atao kimaimaika izany, hoy izy, ary heveriko fa sady tsy latsaka no tsy mihoatra mihitsy fa atonony ny tetiandro natolotry ny FFKM. Eo ny fijerena ny fomba ialàna amin’ny krizy miverimberina. Teo aloha isika nandray fanapahan-kevitra an-kamehana dia niaraha-nahita ny vokany. Lojika be raha nanasongadina manokana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ny filohan’ny fanavaozana satria tsy maintsy mifampijery ny fanjakàna sy ny sehatra tsy miankina. Matoa ny vidim-piainana midangana be toy izao dia satria be loatra ny vola alohan’ny mpandraharaha amin’ny fadin-tseranana. Toy ny mividy indray mihitsy ianao rehefa tonga ao amin’ny seranana ny entanao. Tsy zaka toy izany koa ny hetra. Ny tena moa aty amin’ny sehatra tsy miankina dia mahita izany, hoy hatrany ity Kristianina mandinika raharaham-pirenena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT