Kristianina mandinika

raharaham-pirenena


  • Alakamisy 21 Mey 2026

Tena zava-dehibe ny fiantsoana ny ankolafin-kery rehetra»

Zava-dehibe ny fanankinana ny atao rehetra amin’Andriamanitra, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Zava-poana, hoy izy, rehefa tsy izay. Ny tenin’Andriamanitra koa milaza fa mila mandinika aloha. Tonga ny fotoana ankehitriny natao handinihana izay hahasoa ity firenena ity rehetra. Tsy kolikoly akory no antony nanomezan’ny fitondràm-panjakàna 150 tapitrisa Ariary ny FFKM hanomanana fikaonandoham-pirenena. Na ny trano ofàna aza dia efa mety ilàna vola. Tena zava-dehibe ny fiantsoana ny ankolafin-kery rehetra. Indraindray isika mihevitra fa mahavita azy ny herintsika fotsiny kanefa zava-poana raha tsy ankinina amin’Andriamanitra na dia ny adihevitra hifanakalozana anatin’izany fotsiny aza. Rehefa miara-miasa ny fanahy tsara dia ahazoana zavatra tsara. Teo nisy hery anankiroa tsy nitovy hevitra mihitsy. Tsy nihaino ny FFKM ireo. Nony poritra nefa izay vao hoe tokony hatao ny fikaonandoha! Mila maka lesona amin’ny nisy taloha foana isika! Efa nitroatra ny vahoaka vao niantso ny raiamandreny am-panahy ireo hoe aiza ianareo? Ny antenaina sy hirariana izany izao dia ny hivoahana lalàmpanorenena tena malagasy fa tsy dika mitovy amin’ny an’ny frantsay intsony. Lalàmpanorenana tena ahafahana mampandroso an’i Madagasikara, manaja ny zo sy mahaolona malagasy, hoy hatrany ity Kristianina mandinika raharaham-pirenena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT