Kristianina mandinika

raharaham-pirenena


  • Talata 18 Novambra 2025

Misy ny ezaka sy vahaolana efa ataon’ny fitondràna»

Misy ny ezaka sy vahaolana efa ataon’ny fitondràna ankehitriny toy ireny famahana ny olan’ny mpianatra eny Ankatso ireny, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, satria tsiahivina fa ny olan’ny rano sy herinaratra no niatombohan’ny disadisa teto Madagasikara. Isan’ny fandraisana andraikitra iaraha-mahita izao, hoy izy, ny fanaovana «forage» na fitarihan-drano, izay isan’ny tokony nataon’ny fitondràna teo aloha izany ary hita fa tena azo tanterahina tokoa. Eo ihany koa ny fametahana ireny «panneaux solaires» na fanjonoana angovo avy amin’ny masoandro eny amin’ny oniversite ireny. Ireny no hahafahan’ireo mpianatra ireo mianatra, mijery tahirin-kevitra amin’ny aterineto ao anatin’izao fanatontoloana izao, vahaolana akaiky sy azo tanterahina tsara izany. Tsy voatery hianteherana amin’ny mpamatsy vola ny vahaolana fohy ezaka toy izany. Ny lavitra ezaka toy ny fanaovana barazy, ohatra, no mety ilàna mpamatsy vola. Toy izany koa ny resaka angovo termika. Inoana hitondra any amin’ny fidinan’ny vidin’ny herinaratra ireny. Maro koa nefa izao ireo sendika miantsoantso mitady vahaolana toy ny fampiakarana karàma sy tombontsoan’ny mpiasa. Izao fitondràna izao nefa, raha ny tena marina, tsy natao loatra ho amin’izay fampiakarana karama na fijerena manokana ny fiainan’ny mpiasam-panjakàna izay satria izany tetezamita izany aza tokony ho ampiana. Tokony ho ampiana aza izany, indrindra fa hoe fanavaozana ilay tanjona. Tsy maintsy miainga any amin’ny fototra aloha tsinona io ary mila manova toetsaina hiady amin’ny kolikoly isika satria io no tena hita nanjaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT