Kristianina mandinika fiainam-pirenena

«Mila amafisina ny fiarovana ny ala!»


  • Alarobia 15 Janoary 2025

Isaorana an’Andriamanitra hatrany ny zava-drehetra, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena,

Ralaiarimanana. Izy no manome, hoy izy. Izy ihany koa no mandamina ny fotoana hisehoan’ny zava-drehetra eto Madagasikara. Misy avy amintsika olombelona ihany koa anefa no anton’izao fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara izao. Ho anay tantsaha aloha dia fifaliana ho anay ny filatsahan’ny orana satria io ihany no zavatra latsaka eto ambonin’ny tany miaina. Isika olombelona, indrindra, tsy maintsy mila rano foana. Mila rano foana koa ny zava-maniry, indrindra, eo amin’ny sehatry ny famokana na atao hoe somary tara ihany aza. Inoana anefa, ao anatin’izao fahazoana orana izao, fa hisy ihany ny vokatra eto amin’ny firenena. Raha mitohy kosa ny haintany dia ho krizy eto. Hangatahana amin’ny Tompo mba homeny ranon’orana hilatsaka foana isika. Hiasa ihany koa ny tantsaha ary hisy koa ny filaminana eto amin’ny firenena. Mbola tsy azo vinavinaina moa hoe hahatratra firy taonina isaky ny ha amin’ity ny voka-bary satria mbola tsy azo lazaina ho tena mahavonto tany izao rotsak’orana izao. Iny farihin’Alaotra iny izao mbola mila orana be dia be satria ireo tanimbary ireo dia miandry orana daholo ary ohatran’ny hoe miandry tobin-drano na «bassin» iray ho feno tsara. Rehefa feno tsara ireny dia afa-mamokatra tsara ny tantsaha. Ilaina indrindra ny mikolokolo ny ala, indrindra, ny hazo izay hitantsika amin’izao fotoana izao fa miha ripaka hatrany noho ny ataontsika olombelona ihany. Ao koa ny fanaovana trano amin’izy ireny, ny fitrandrahana tsy manara-penitra fa mamotika tontolo iainana, misy mihevitra fa ilaina ambolena ambony harena ny hazo nefa 300 na 400 taona any ny hazo iray vao mety ho lehibe. Izay no antony hiarovana ireny hazo ireny satria manome entona be dia be eny amin’ny lanitra io ary mahatonga ny rahona hamorona orana ho ety ambonin’ny tany. Mila amafisina ny fiarovana ny ala! Aoka izay ny toetsaina hoe efa marary vao mitsabo! Tsy voatery ilàna volabe ny fanentanana sy fampianarana ny olona hiaro ny ala fa rehefa asiana fivelomany ao dia arovany ho azy io. Azo atao, ohatra, ny mampiompy tantely na trondro azy ao, mamela azy hanangana izany ho toerana mahafinaritra sy mahasarika ho fidiram-bolany, marobe ny azo atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT