Finoana

Kristianina Katolika : Miantso ny Papa ho mailo amin’ny fanendrena kardinaly


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Nandefa taratasy any amin’ny Papa Benoit XVI ireo mpino kristianina katolika eto Madagasikara, mangataka amin’ny Ray Masina mba ho mailo amin’izay safidy amin’ny fanendrena izay hisolo toerana ny Kardinaly Razafindratandra.

 

 Araka ny voarakitra ao anatin’ilay taratasy, dia nohazavain’ireo mpino fa tato anatin’ny herintaona izao dia nandalo lalan-tsarotra tokoa ny fiangonana katolika. “Noho ny fihetsiky ny mpitondra anay, izay mifandrafy sy mamaky ady amin’ny hafa, dia maro ireo kristianina no tohina, ka zary niteraka fisaraham-bazana mihitsy teo amin’ireo mpino katolika izany. Tsy vitsy ireo tsy nanatrika lamesa intsony. Tsy fantatray intsony hoe iza no ianteherana. Izay ho kardinaly no hany fanantenanay ary dia matoky ny safidinao izahay ry Ray Masina. Hampian’Andriamanitra ianao, ary ny Fanahy Masina hanazava ny sainao”. Izay raha adika malalaka ny ampahany tamin’ilay taratasy nalefa ho an’ny Papa Benoit XVI.
 
Soa    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT