Finoana

Krismasy 2017 Nihena ny loza, vitsy ireo nanorin-tokantrano


  • Talata 26 Desambra 2017

Vita iny ny Noely na Krismasy, fankalazana ny nahaterahan’ilay Mpamonjy.

Tamin’ny ankapobeny dia nilamina ny fety, mety ho vokatry ny tsy fahampiana na fahasahiranana ka mihafy sy mitsitsy. Na ny antontanisa etsy eroa aza toa manamafy izany. Olona enina no maty teto an-drenivohitra nandritry ny fetin’ny krismasy. Ny roa dia namono tena, ny roa hafa vokatry ny aretina ary ny roa farany dia  noho ny fibobohana toaka. Nisy ireo naratra noho ny adiady an-dalambe, ny aretina, ny lozam-pifamoivoizana tsotra sy vokatry ny fanatanjahantena ary koa ny fisotroan-toaka diso tafahoatra. Nisy fihenany miohatra ny tamin’ny taon-dasa anefa. Tsikarika koa izay fihenana izany teny amin’ny Boriborintany, ho an’ireo mpifankatia tonga misora-panambadiana. Tao amin’ny Firaisana I izao, raha nisy 45 no nisoratra ny sabotsy nialoha ny Noely dia 28 izy ireo tamin’ity. Fa vanimpotoan’ny tolotanana, fanomezana ny krismasy. Nanolotra sakafo masaka ho an’ireo 4-Mi sy sahirana eny amin’ny faritra Antaninarenina sy ny manodidina, niisa 260 teny amin’ny zaridaina Antaninarenina ny fianakaviana Eric Kohler ny andron’ny fankalazana ny Krismasy 25 desambra 2017 antoandro. “Manan-jo ny hifety toy ny olon-drehetra izy ireo”, hoy Atoa Kohler, ka izany no antony nanolorana azy sakafo mba hifaliany amin’izao fety izao. Marihina fa izy mivady nivantana mihitsy no nandroso ny sakafo ho azy 260 efa nizarana tapakila mialoha. Tsy mitsaha-mitombo isan-taona ny isan’ireo misitraka ny hetsika, hoy ihany izy, ka heritreretina ny hanomezana ihany koa kilalao hoan’ireo kilonga madinika eny amin’ity toerana ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT