Finoana

Krismasy 2017 Hipoka ireo fiangonana rehetra


  • Talata 26 Desambra 2017

Toy ny isan-taona dia hipoka hatreny am-baravarana sy tokotany indray ireo fiangonana rehetra tsy an-kanavaka teto an-drenivohitra tamin’ny famonjena ny fanompoam-pivavahana

niderana an’Andriamanitra noho ny tsingerin-taonan’ny Krismasy fotoana nahaterahan’i Kristy Mpamonjy omaly alatsinainy 25 desambra 2017. Niavaka kosa ny an’ny fiangonana FCI Mandroseza. Tamin’io fotoana io no nanombohan’ny mpino tao amin’ny Bishop mpitarika azy nampiasa ny trano fivavahana vaovao etsy By-Pass Alasora ho fanampin’ny eny Mandroseza. Fiaretan-tory hiandrasana ny taona vaovao na “réveillon évangélique” amin’ny 31 desambra alina izao no fotoana manaraka hifamotoanan’ireo mpino ato amin’ity trano fiangonana vaovao ity. Nambaran’ny Bishop Lalaina Andriamisolo tamin’ny hafatr’Andriamanitra nentiny fa fiadiana amin’ny fanahin’ny fahantrana no antony nahaterahan’i Jesosy zazakely tao an-tranon’omby izay toerana tsizarizary loatra ary nitoeran’ny fofona samihafa mihitsy aza  nefa namangian’ireo Magy nivimbina volamena sy miora ary zava-manitra ho azy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT