Vita iny ny krismasy ! Samy nanana izay nanamarika azy iny ny fianakaviana isanisany avy. Ny tsikaritra dia somary vitsy olona tany am-piangonana ny alin’ny 24 desambra, ary saika nanerana ny Nosy io.
Ny olona ve no tsy marisika sa ny tsy fandriampahalemana tsy voavehy no sakana ? Tsy ilaozana loza ihany koa ny fety. Ho an’ny 24 desambra fotsiny, ohatra, dia miisa 115 no tonga tao amin’ny HJRA Ampefiloha nila fitsaboana. Ny 33 tamin’ireo no voatery notazonina harahi-maso ny fahasalamany. Na izany aza, maro ny fianakaviana tojo fahasoavana fa tera-bao nahazo zaza, tao ny nanorin-tokantrano. Anisan’ireo ny zanaka vavin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Mipetraka any Soisa izy fa nisafidy an’i Nosy-Be izy roa kely, samy teratany Malagasy, nanaovana ny mariazy ny sabotsy ankatoky ny krismasy, ka fety manetriketrika ny azy mianakavy, anisan’ny nanatrika izany i Voahangy Rajaonarimampianina. An-kilany dia krismasy mangidy ho an’ny mpanao politika vitsivitsy izay migadra any am-ponja ity indray mitoraka ity. Fetin’ny noely lavitry ny fianakaviana fa tao amin’ny fonjan’Antanimora no niainan-dry Nivo Ratiarison, Alain Ramaroson sy i Augustin Andriamananoro izany tamin’ity indray mitoraka ity. Misy ireo tsy nanana harapaka, tsy afa-nisakafo raha tsy tolotra avy amin’ny malala-tanana. Maro ihany ny loza tsy nampoizina niseho tamin’iny faran’ny herinandro iny, mety ho vokatry ny tsy fitandremana, nisongadina ny lozam-pifamoivoizana. Tany Toamasina dia fiara lehibe iray nivadika, teny amin’ny lalan’ny Frankofonia Andohatapenaka, dia fiara kely iray latsaka tany anaty ranom-potaka. Teny Sonierana dia nisy fiara iray may kila forehitra tsy nisy noraisina intsony. Nisy ihany koa ny zaza roa very avy any Antsirabe noho ny famindran’ny mpamily fiara azy nony tonga teny Behenjy, ka tsy hita hatramin’izao.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.