KONGRESIN'NY VAHAO NY OLOKO

Natao hampiakarana ny ara-panahin'ny mpino


  • Talata 26 Aogositra 2025

Nosokafana tamim-pomba ofisialy teny amin'ny By pass omaly Alatsinainy 25 Aogositra

haharitra andro vitsivitsy ilay kongresy lehiben'ny Trano fivavahana Vahao ny Oloko, tarihin'ny Filoha mpanorina azy Pastera Heritiana Randriarimalala. Mpizaika manerana ny Nosy manodidina ny 8.000 isa no efa tonga eny an-toerana raha 15.000 no andrasana , tarihin'ireo Pastera sy mpiandraikitra eo anivon'ny trano fivavahana tsirairay avy. Tanjona amin'izao hetsika goavambe izao ny hampiakarana ny ara-panahin'ny mpino. Mihamivoatra izao tontolo izao hoy Pastera Heritiana. Mihamivoatra ihany koa ny ara-ekonomika sy sosialy ary teknolojia noho izany tsy tokony ho tara ihany koa ny resaka fivavahana. Raha mbola ny haim-panahy niasa tamin'ny taona 1960 na 1980 mantsy hoy izy no hiainan'ny mpino amin'izao dia inoana fa mety hisy fiangonana tsy ho zarizary intsony. Eny amin'ny Coliseum Atsonjombe moa no hamaranana ity kongresy lehibe ity amin'ny Sabotsy 30 Aogositra ho avy izao. Hoentin'ireo Pastera sy mpiandraikitra eo anivon'ny trano fivavahana hiadidiany izay fampiakarana haim-panahy azony izay mba hisy fiantraikany mivantana amin'ny fiainan'ny mpino izany.
Pati
Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala, nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT