«Kaominina maherin’ny 400 isa no nananganana fiangonana»
Manana ny onjapeo ambany fifehezany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM, izany hoe, io no manambara ny vaovao momba ny FJKM manontolo, ny miditra, ny mivoaka, hoy ny vaomieran’ny serasera anaty komitin’ny jobily fisotroan-drononon’ny filohan’ny FJKM teo aloha no sady filohan’ny vaomieran’ny komitin’ny mariboninahitra eo anivon’ny FJKM, Rakoto Mahefarinoro William René. Tsy izay ihany nefa, hoy izy, fa ny mampivoatra ny mahaolona manontolo ihany koa. Mitatitra ny vaovao manerantany sy eto an-toerana koa izy no dikan’izany. Misy fanabeazana koa anatin’izay. Feno 28 taona ny onjapeo na Radio Fahazavàna ankehitriny, izany hoe ny andron’ny 17 septambra 2025, ka dia isaorana an’Andriamanitra aloha voalohany ny nahavitàna izay 28 taona izay. Ao ny ezaka nataon’ny onjapeo nampivoarana azy. Ny onjapeo no tena fototry ny fifandraisan’ny olona ary sarotra ny miaraka amin’ny olona tsy misy fifandraisana. Hita ho mivoatra sy mandroso tokoa fa tsy afenina ankehitriny manerantany ny firosoan’ny olona amin’ny maha Kristianina sy ny fitoriana ny filazàntsara. Raha ny eto amintsika manokana no jerena, ankoatran’ny hoe ao amin’ny FFKM na Fiombonan’ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara, dia efa be dia be ireo karazam-pivavahana manana onjapeo manokana. Tsy azo atao ny mitsara hoe ny anay no tsara na ny anay no ratsy fa amin’ny maha fiangonana azy dia samy manana ny filazàny onjapeony avy, hoy hatrany ny tenany. Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny FJKM etsy Antaninarenina moa ny fankazàna izay faha 28 taona izay. Raha sitrapon’Andriamanitra dia ho faranana eto Antananarivo ny 5 oktobra izao, ankoatran’izay, hoy ihany ity tomponandraikitra ity, ny fanamarihana ny jobily fisotroan-drononon’ny filohan’ny FJKM teo aloha, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina. Atao izy io ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely. Entanina amin’izany avokoa na ireo tsy anaty FJKM aza, hoy izy. Fotoana io ankasitrahana azy noho izay taona maro niarahana taminy tanatin’ny fitarihana ny fiangonana izay. Hanomboka amin’ny antsam-panahy amin’ny 2 ora tolakandro ny fotoam-pivavahana. Teo ny teny filamatra hoe «Vontosy filazantsara ny nosy Madagasikara!», kaominina maherin’ny 400 isa no nananganana fiangonana niaraka tamin’ny Dr Irako Ammi Andriamahazosoa, mpitandrina. Isaorana an’Andriamanitra izany satria tsy asan’ny FJKM izany na ny filohany fa Andriamanitra mihitsy no manendry ny olony ho fitaovana hampivoarana ny fitoriana ny filazàntsara niaraka tamin’izany Raiamandreny izany, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.