Finoana

Komitin’ny fianakaviana eo anivon’ny FJKM Mampianatra ny mpifankatia, ny mpivady tena hahay hifankatia


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Betsaka ireo olona manana olana ara-pitiavana amin’izao. Tsy vitsy noho izany ireo mahavita mamono tena sy mamoy fo mihitsy antony hijoroan’ny fiangonana Fjkm amin’ny alalan’ny komitin’ny fianakaviana.

Toy ny isan-taona dia tsy manadino ny mankalaza ny fetin’ny mpifankatia izy ireo. Tetsy amin’ny fiangonana katedraly Analakely no nisantarany izany omaly ka hisy ny fampianarana isan’andro natokana ho an’ireo mpivady, mpifankatia ary mpifamofo. Vontom-pitia no anarana nampitondraina io hetsika io izay hifarana amin’ny Sabotsy izao. Tanjona ny hanoroana hevitra ny olon-droa vao mifamofo na mpifankatia tsy hanandrakandrana mba tsy hanimba fiainana. Tsy maintsy mianatra ilay fitiavan’i Jesosy Kristy izay nahavita nanolotra ny ainy ho an’ny sakaizany hoy Ranaivo Andriambahiny Lova, anisan’ny komitin’ny fianakaviana vao mahavita sy mahay mitia ny vadiny na ny olon-tiany. Tsy ilana tambiny izany hoy izy na hiandrasana valiny fa tena omena amim-pitiavana tokoa. Ho an’ny omaly manokana dia nahatratra 70 isa ireo mpivady tonga nandray anjara sy nanatrika izany tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : fitiavana mamono antoka.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana omaly tetsy amin’ny Fjkm katedraly Analakely
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT