Finoana

Kojakoja misy ny sarin’i Papa Fransoa Nisy ireo nandany ana hetsiny nividianana azy


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Nifandrombahan’ny mpino ireo karazana kojakoja misy ny sarin’i Papa Fransoa namidy teny Antanimena ny sabotsy teo. Raha ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray dia ny elo no tena be mpividy indrindra izay miloko fotsy sy mavo noho ny vidiny mirary.

 

 

 

 

 Ny vehivavy sy ny renim-pianakaviana no tena nividy azy niaraka tamin’ny polo miloko fotsy sy mavo ihany koa. Nifampitadiavana ihany koa ny penina. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja dia lany tanteraka izany ary tsy hisy indray raha tsy rahampitso talata, fotoana hivarotan’ireo mpivarotra. Ho an’ny tetsy amin’ny toeram-pivarotam-boky masindahy Paoly Analakely dia ilay boky nisy ny tantaran’ny Papa Frasoa sy nisy ilay lamesa natao teny Soamandrakizay omaly tamin’ny fiteny frantsay no tena be mpividy. Tsy naharaka indray ireo natontan’ireo tompon’andraikitra misahana izany izay nomarihin’izy ireo fa kojakoja tena ilaina tokoa, indrindra fa ho an’ireo manan-janaka mandinika te-hampita fahalalana. Tsiahivina moa fa nisy ihany koa ny saina kely misy ny sarin’i Papa, ny clé USB, ny kaskety, ny seza kely azo haforitra ….izay namidy teny rehetra teny ka nandanian’ireo mpizaika sasany vola ana hetsiny mihitsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT