Finoana

Kiadin’i Madagasikara Mankalaza ny faha-85 taona nijoroany


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Tamin’ny sabotsy 28 jolay farany teo no natao tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taon-jobily faha-85 taonan’ny Skoto Kiadin’i Madagasikara.

Fotoam-bavaka no nanombohana izany ary nisy ny fandraisam-pitenenan’ireo manampahefana maro. Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora amin’ny lafiny rehetra sy amin’ny sehatra samihafa ny tompon’andraikitra ao amin’ny kiadin’i Madagasikara araka ny nambaran’ny filohan’ny komity fankalazana ny jobily, General de Division Ramananjatovo Alphonse. Efa nisy mihitsy ny fiofanana nataon’ny kiadin’i Madagasikara teo anivon’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena nampitana fahaiza-manao sy zavatra maro mba ho fampandraisan’anjara amin’izy ireo ny andraikitra enti-mampandroso ny firenena. Tazana sy hita eny amin’ireny lanonam-panjakana na fahatongavana manampahefana amin’ny toerana iray ireny ny kiadin’i Madagasikara izay ikambanan’ny Tily sy Mpanazava manampy ny fitondram-panjakana sy ny tompon’andraikitra handavorary sy handrindra ny filaminana. Ankoatr’izay dia ny toe-tsaina sahy mandray andraikitra amin’ny zavatra sy olana maro sedraina eny anivon’ny fiarahamonina no ezahina ampitaina hatrany amin’ireo skoto ireo. Ny olana sedraina kosa dia ny tsy fahampian’ny enti-manana izay hiantsoana ireo tompon’andraikitra ambony malala tanana efa nandalo fitaizana skoto na tsia, hoy hatrany ny filohan’ny jobily. Mandritra ny herintaona moa ny fankalazana ity jobily ity ary hisy ny fitetezam-paritra ho fanokafana izany ataon’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT