Finoana

Katolika eto Madagasikara Fito taona tsy manana Kardinaly


  • Talata 26 Desambra 2017

Fito taona aty aorian’ny nahafatesan’ny Mgr Razafindratandra Armand Gaetan, Kardinaly farany teto Madagasikara, ho an’ny mpino katolika, dia banga mandrak’ity ny androany io toerana io. Nodimandry ny 9 janoary 2010 izy,

teo amin’ny faha-85 taonany. Arsevekan’Antananarivo teo anelanelan’ny taona 1994 sy 2005 i Mgr Razafindratandra Armand Gaetan. Tetsy an-kilany, mba nitondra tsirim-panantenana ho an’ny mpino katolika ny fitsidihan’ny sekreteram-panjakan’i Vatikana, Kardinaly Pietro Parolin teto tamin’ny volana janoary 2017, nanamarika ny faha-50 taonan’ny fifandraisana diplomatika eo amin’i Vatikana sy Madagasikara, fa hotendrena tsy ho ela ny kardinaly eto Madagasikara. Tsy izay no nitranga, fa toa loza samihafa aza no nosedrain’ny fiangonana katolika tamin’ity 2017 madiva hivalona ity, noho ny sotasota sy herisetra tamin’ny endriny samihafa. Lasibatry ny halatra lakolosy ny fiangonana ary saika manerana ny Nosy no nahenoana tranga toy izany. Namoy ny ainy niharan’ny habibian’ny jiolahy ny pretra iray Jiva Lucien, 46 taona, tao amin’ny tobin-drelijiozy « Noviciat des Frères Mineurs Capucins » ao Ambendrana Antsohihy, tamin’ny volana aprily 2017. Nisy koa frera iray naratra mafy ary voatery nalefa taty Antananarivo notsaboina. Teo ny vaky trano niaro fanolanana masera Notre Dame de la Salette ao Antsahatanteraka Antsirabe faharoa, ny 1 aprily 2017, izay nahaverezana vola sy fitaovana.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT