“Ela no nanirianay hahazo fanamafisam-peo entinay hitoriana ny tenin’Andriamanitra amin’ny mpino, noho ny fanampiana goavana azonay…”.
Anisan’ny nambaran’ny arsevekan’i Toamasina Mgr Tsarahazana Désiré io raha nandray ireo fanomezana fanamafisam-peo goavam-be ho azy ireo, ny sabotsy tolakandro teo tao amin’ny biraon’ny katedralin’ny fiangonana katolika Toamasina Masindahy Josefa Ampasimazava, izay nanaovana lanonana tsotra. Nahitana “baffles” 04 goavam-be, “retros” 02 matanjaka be, “table mixage” iray, “synthetiseur” iray ary ireo kojakoja miaraka aminy maromaro, ireto fanomezana natolotra ireto izay mitentina maherin’ny 20 tapitrisa ariary. Toky nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fandalovany tao Toamasina farany teo izao fanampiana izao, izay nirarian’ny Mgr Tsarahazana Désiré ny mpanolotra hahavita ny ezaka rehetra amin’ny fanampiana ny vahoaka Malagasy miaina ao anatin’ny fahantrana sy hahavitan’ny mpitondra ny adidiny amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.