Finoana

Kardinaly Tsarahazana Désiré “Tsy manohana kandida ny Katolika”


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Nivoaka tamin'ny fahanginany ny kardinaly Mgr Tsarahazana Désiré, omaly, noho ireo fisandohana ka ampiasan'andian'olona sy kandida sasany ary ireo mpanohana azy ireny avy ny sarin’ny Kardinaly sy ny anarany amin'ny fampielezan-kevitra ataon'izy ireo,

 

 

 indrindra amin'ny famoahana sarin'ity Kardinaly ity hanaovana dokambarotra politika amin'ireo afisy sy alimanaka. Nahitsy ny teniny amin'ny maha raiamandrenin'ny finoaka katolika azy sy amin'ny filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara azy nilaza fa “Eo anatrehan’ny fifidianana filoham-pirenena izay hatrehin’ny firenentsika afaka volana vitsivitsy, dia efa miomana sy mihetsiketsika fatratra amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra ireo kandida ho amin’izany. Tsara anefa ny mampahafantatra ho an’izay tsy mahalala, ary mamerimberina etoana ho an’izay efa naheno fa ny Eglizy katolika dia tsy manana kandida ofisialy tohanana na aroso. Raha misy kandida mampiasa ny sariko na ny anarako na ny an’ny Eveka rahalahiko, hatao fitaovana hampielezana hevitra amin’izao fifidianana izao dia marihiko fa tsy nahazo fankatoavana avy aty aminay izany. Adidintsika Malagasy ny mifidy izay olona heverintsika fa afaka hitondra amin’ny fampandrosoana an’ity firenena ity. Koa manentana ny tsirairay ary ny tenako hifidy ankalalahana izay olona hitany fa tena hanasoa sy hampivoatra marina ny tanindrazantsika. Eto am-pamaranana dia mitsodrano sy mirary soa ny Vahoaka Malagasy tsivakivolo ny tenako ary mirary dia mirary mba ho ao anatin’ny fitoniana tanteraka sy eo ambany fitarihan’Andriamanitra no hanatanterahantsika izany adidy masina izany”.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT