Finoana

Kardinaly Roger Mahony Sakanan’ireo katolika Amerikanina tsy handray anjara amin’ny ‘conclave’


  • Alatsinainy 25 Febroary 2013


Sonia 10 000 any ho any no voaangon’ireo mpino katolika any Etazonia, hanakanana ny kardinaly Roger Mahony, tsy handray anjara amin’ny “conclave” hatao any Vatican, handinihana sy hifidianana izay handimby an’ny Papa Benoit XVI izay nametra-pialana. Voalaza fa voarohirohy amina raharaha ‘pédophilie’ ity Arsevekan’i Los Angeles tamin’ny 1985- 2011. Nandritry ny tafa tamin’ny mpanao gazety nanoloana ny eglizin’i Md Charles dia nisy ireo nilanja sorabaventy nilaza fa tokony hohajaina ireo niharan’ny herisetra, tokony hohajaina ny eglizy, eo koa ny tokony handraisan’ireo mpitarika ny andraikiny. Na dia efa nesorin’ny mpandimby azy aza ny ankamaroan’ny asan’ity pretra ity dia nilaza izy fa tsy maintsy hamonjy ny “conclave”.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT