Finoana

Kardinaly Razafindratandra : Nifona tamin’ny Filohan’ny FJKM


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

« Mifona ry Zandry ! ». Io no teny nolazain’ny kardinaly Armand Gaêtan Razafindratandra tamin’ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala, Filohan’ny FJKM, nandritra ny fivorian’ny komity foiben’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara farany teo tany Mahajanga.

 

Araka ny vaovao marim-pototra dia nambaran’ny kardinaly tamin’ny anaran’ny EKAR izany fifonana izany, momba ny zava-niseho teny amin’ny Episcopat Antanimena ny 17 marsa 2009 teo. Manana ny lanjany eo amin’ny firenena malagasy, indrindra fa ny fihavanan’ny Ekar sy ny Fjkm izany tenin’i « Baba » izany. Tsy mahagaga ny rehetra raha nanao izany fihetsika izany i Baba satria eo ny maha raiamandreny azy, ary ambeti-teniny mandrakariva ny hoe : adidin’ny Ffkm ny miaina anatin’ny Fampihavanana.
Araka ny vaovao, dia anisan’ny matoan-kevitra niasan’ny Sinaodan’ny Eveka katolika tany Roma farany teo ny Fifampihavanana mitondra amin’ny marina ny rariny ary ny fiadanana. Samy nandray anjara tany ny kardinaly sy ny Arseveka ary ireo Eveka malagasy hafa. Raha ny fanazavana, dia ny Kardinaly Razafindrantandra, amin’ny maha raiamandrenin’ny Ekar azy, no tokony hamindra ny fahefana amin’ny Sa Grâce Monseigneur Ranarivelo, ao amin’ny Eklesia Episkopaly Malagasy izay mitantana ny FFKM ankehitriny. Ny 23 janoary ho avy izao no tokony hanatanterahana izany, saingy hafa moa ny lahatra avy any Ambony.
 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT