Finoana

Kardinaly Razafindratandra Armand Gaétan Nanorenana tsangambato 4 taonina ao Besalampy


  • Alatsinainy 29 Jolay 2013

Lanonana tsy manampaharoa tao Besalampy, Faritra Melaky omaly. Nanamarika izany ny fitokanana ny tsangambato fahatsiarovana an’ny Kardinaly Razafindratandra Armand Gaétan (7 aogositra 1925 – 9 janoary 2010), diso fantatry ny maro any an-toerana hoe : Baba.

 

I Besalampy, tsiahivina ihany, no toerana nosafidian’i Baba hialana sasatra taorian’ny nandehanany nisotro ronono ny taona 2006. Nindaosin’ny fahafatesana teto Antananarivo izy ny 9 janoary 2010, ka tsy afaka nandalo tany Besalampy ny nofo mangatsiakany, ka ho fahatsiarovana azy indrindra no nanorenana ity tsangambato milanja 4 taonina ity eo an-tokotanin’ny trano naorina hitoerany tao an-toerana. I Baba dia raiamandreny nahavita be teo amin’ny asa fitoriana sy fampielezana ny vaovao mahafaly, sady nampiombona an’i Besalampy, na kristianina, na miziolimanina na ny tsy mpino. “Mba ho iray anie izy rehetra” rahateo no teny filamatra nentiny. Nitarika ny lamesa ny evekan’i Mahajanga, Mgr Rakotondrajao Solo Roger Victor.

Tonga nanotrona sy niara-niombom-bavaka tamin’ny vahoaka tany an-toerana Rtoa Lalao Ravalomanana, ity farany izay sambany aza no tonga tany an-toerana, dia hita ho nanganohano ny masony raha nandray fitenenana satria dia olona akaiky sy nifandray am-po tamin’ny fianakaviana Ravalomanana ny Kardinaly Razafindratandra Armand Gaétan. Nankahery ny vahoaka tany an-toerana sady nanolotra omby iray sy fotsimbary ho nofonkena mitam-pihavanana ny tenany noho io fotoan-dehibe io. Nanotrona ity fotoana ity koa ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot, ny minisitry ny fambolena Ravatomanga Roland, ny minisitry ny varotra Ramalason Olga, ny lehiben’ny Faritra Boeny, Rasolofoniaina Christophe Jean Noel, ny mpikambana amin’ny kongresin’ny tetezamita Mohamady Sakra.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT