Finoana

Kardinaly Pietro Parollin Noraisina toy ny filoham-panjakana


  • Sabotsy 28 Janoary 2017

Nigadona teto Madagasikara ny alin’ny alakamisy 26 janoary lasa teo ny sekreteram-panjakan’i Vatican, Kardinaly Pietro Parollin,

 izay manao fitsidihana eto Madagasikara ao anatin’ny herinandro latsaka kely. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fifandraisan’i Madagasikara ny fivahinianany, ary efa feno tanteraka ny fandaharam-potoanany. Ho an’ny omaly maraina dia nisy ny sorona masina notarihiny teny amin’ny masoivohon’i Vatican eny Ivandry. Taorian’izay dia noraisin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha ny tenany, saingy tsy nisy nipika kosa ny resaka nifanaovana. Ny praiminisitra Mahafaly Olivier kosa no nandray azy teny Mahazoarivo omaly takariva. Ho an’ny anio dia hihaona amin’ireo mpianatry ny oniversite Katolika na ny UCM eny Ambatoroka ity laharana faharoa eo anivon’ny fiketrahana masina ity. Anisan’ny fotoan-dehibe ho an'ny mpino katolika kosa ny fanatrehany ny lamesa lehibe iraisan’ny mpino katolika eny Mahamasina, ary aorian’io sorona masina io ny fiaraha-misakafo iarahany amin’ireo eveka rehetra eto Madagasikara. Ny alatsinainy 30 janoary kosa no hanaovana fitsidihana eny amin’ny tobin’ny Akamasoa, tantanan’i Mompera Pedro Opeka, ary handao tanteraka an’i Madagasikara ny tenany ny 01 febroary izao. Hentitra tanteraka ny fitandroana ny filaminana sy ny fiarovana ity olo-manankaja eo anivon’ny fiketrahana masina ity.

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT