Finoana

Kardinaly Pietro Parolin Nampitraka sy nampahery ny Malagasy


  • Alatsinainy 30 Janoary 2017

Tontosa omaly alahady teny amin’ny kianjambe monisipalin’i Mahamasina ny lamesa lehiben’ny Eglizy Katolika Romana notarihan’ny sekreteram-panjakan’i Vatican ny kardinaly Pietro Parolin ho fankalazana ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena Malagasy sy ny Fiketrahana Masina.

 

 Niompana tamin’ny lohahevitra «fahasambarana» ny toriteny nataony nandritra io fiombonam-bavaka niarahan’ny mpino kristianina katolika marobe io tonga teny an-toerana. Sambatra ireo olona mahantra fanahy, hoy ity olo-manankaja laharana faharoa ao Vatikana mitsidika eto Madagasikara ity. Toetran’izy ireo ny mahatahotra sy mangataka fanampiana hatrany amin’Andriamanitra ary mitoky amin’ilay Mpahary. Tsy mihambo ho mahavita tena, tia mihaino ny hafa ary mandala ny fihavanana ihany koa ny olona mahantra fanahy, hoy ny solontenan’ny Papa Ray Masina François. Nampitraka sy nampahery ny vahoaka Malagasy moa ny tenany manoloana ireo fahasahiranana sy sakana mianjady aminy ny ankehitriny. Namaranany ny hafatra nataony ny filazana fa tany mena lonaka feno vato sarobidy miaraka amin’ireo voankazo marobe i Madagasikara ka mendrika ny hisitraka fiainan-ko avy tsara kokoa. Manjaka ny fitiavan-tena ary lasa fomba sy fierena fotsiny sisa ny fivavahana, hoy kosa ny arsevekan’Antananarivo ny monsenera Odon Marie Razanakolona tamin’ny teny fisaorana nataony. Noresahany ireo sahan’asa iandraiketan’ny Ekar eto amin’ny firenena ho fanampiana ny fiarahamonina izay mifantoka amin’ny fanabeazana, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fampanana tany ny Malagasy. Teboka iray nasongadin’ny filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara hatrany moa ny momba ny fampihavanana.

Nangonin-dRamano F. 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT