Finoana

Kardinaly nisafidy an’i Toamasina Mihataka lavitra ny mpanao politika


  • Zoma 13 Jolay 2018

Omaly alakamisy tamin’ny 10 ora maraina no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamasa Toamasina ny Kardinaly vaovao Désiré Tsarahazana.

Fandraisana manetriketrika tokoa no natao taminy ary efa nahatratra 10 km ny filaharan’ireo mpino Katolika nitsena sy nihoby azy, satria zava-dehibe tokoa ary antenaina fa hitondra voka-tsoa ho an’ny Firenena Malagasy mihitsy ny fananana azy.Tsara ho marihana mantsy fa tsy nety voatendry mihitsy io solontena ambony indrindra eo amin’ity finoana ity io tao anatin’ny 8 taona, izany hoe, nanomboka ny taona 2009. Misy hifandraisany tamin’ny resabe nandeha tamin’izany fotoana fa akaiky loatra ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina sy ny ekipany ve ny Mgr Odon Razanakolona, izay solontenan’ny Eglizy teo anivon’ny FFKM tamin’ny fotoan’androny ? Raha ny zava-misy ankehitriny aloha dia hita ho nisafidy ny hihataka lavitra ny mpanao politika sy ny raharaha politika mahazatra eto Antananarivo ny Kardinaly vaovao, Désiré Tsarahazana, raha nisafidy ny hametraka ny biraony any Toamasina. Loharanom-baovao iray no nahenoana fa fay tamin’ny zava-niseho nandritra iny tetezamita iny ny fianakaviamben’ny Katolika ka nanitsy ny fomba fiasany sy ny fifandraisany amin’ny fitondram-panjakana, ary hifantoka bebe kokoa amin’ny fiambenana sy fikolokoloana ny ondriny . Mijoro hatrany miady amin’ny ratsy sy ny tsy rariny anefa ny Fiangonana Katolika ary mazava tsara ny hafatra hatramin’ny nahatongavan’ny Kardinaly vaovao teo an-tanindrazana :”Ndao ho resena amin’ny so any ratsy”

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT