Finoana

Kardinaly Desiré Tsarahazana Nihaona tamin-dRajaonarimampianina


  • Talata 29 Mey 2018

Nihaona tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly tolakandro ny Kardinaly vaovaon’ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara Desiré Tsarahazana.

Niara-dia taminy ihany koa ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, solontenan’ny Vatican eto amintsika sy Mgr Marie Fabien Raharilamboniana, filoha lefitry ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. Nisongadina tamin’izany ny fanamarihana nataon’ny Kardinaly vaovao fa tsy miady ary tsy hiady amin’ny fanjakana izany ny Katolika, araka sy siosion-dresaka mandeha etsy sy eroa. Niarahaba sy nirary soa ny kardinaly Desiré Tsarahazana moa ny filoham-pirenena sady nanome toky fa hanampy azy amin’ny asa izay hatrehany. Hotanterahana ny 29 jona ho avy izao any Roma ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny maha Kardinaly an’i Desiré Tsarahazana ka nahazo fanasana manokana hanatrika izany ny filoham-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT