Finoana

Kardinaly Désiré Tsarahazana “Ndao hiady amin’ny ratsy isika”


  • Alarobia 11 Jolay 2018

Omaly tolakandro no tafaverina an-tanindrazan ary notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka teny Ivato ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, andro lehibe ho an’ny mpino Katolika ary manamarika ny tantaran’i Madagasikara ihany koa.

 

 Nitsena azy teny am-pahatongavana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady, ny filohan’ny antenimierandoholona sy ny praiminisitra ary olo-manan-kaja maro eto amin’ny tany sy ny fanjakana sy ireo mpino Katolika maro be avy amin’ny lafivalon’ny nosy. Fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany sy ny famindram-pony amin’ny firenentsika ny zava-mitranga sy tanteraka izao ka isaorana izy, hoy ny Kardinaly Désiré Tsarahazana nandritra ny lahateniny. Na dia misy aza ny zava-misy iainan’ny firenentsika dia tsy manadino antsika Andriamanitra satria vahoakany masina isika, hoy izy ary misaotra ny Papa Ray Masina ihany koa satria tsy nanadino ny firenentsika sy ny Fiangonana eto Madagasikara izy. Nanentana ny  Malagasy rehetra mba hiaraka hiady hanohitra ny ratsy ary hikely soroka amin’ny fanaovana ny tsara ny Kardinaly. Hoy indrindra ny teniny : “ Ny famelantsika ny ratsy hanjaka no manimba ny maha olombelona antsika sy manapotika ny firenentsika. Isika mianakavy ihany koa no tompon’andraikitra amin’ny fahavoazantsika izao ary isika ihany koa no afaka manarina ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fibebahantsika”. Mitso-drano ny ezaka ataontsika mianakavy ny tenako, hoy izy ary  mitso-drano ihany koa ireo tsara sitrapo hampandroso ny firenentsika. Anio amin’ny 5 ora hariva eny amin’ny EKAR Antanimena ny Sorona Masina voalohany hotarihany. Rahampitso zoma no hihazo an’i Toamasina izy izay hisy ny toeram-piasany. Nirary soa sy fahasalamana ary herin-tsaina sy herim-batana ho an’ity Kardinaly vaovao ity ny filoha Hery Rajaonarimampianina mba hahafahany manatanteraka ny andraaikiny ka hitondra fahasoavana sy fahazavan-tsaina, indrindra fa fahazavam-panahy ho an’ny firenena Malagasy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT