Finoana

Kardinaly Désiré Tsarahazana Ho avy rahampitso eto Madagasikara


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Efa tsara homana ny fitsenan’ny vahoakan’i Toamasina sy ny mpino Katolika ny fahatongavan’ny kardinaly Tsarahaza Désiré handray ny birao fiasany izay hijanona ao Toamasina ny 13 jolay ho avy izao.

 

 Efa milamina avokoa ny fanomanana rehetra izay samy mikarakara ny mpino ao aminy ny isaky paroasy, samy manentana ny fokontany misy azy avy ireo mpino katolika isam-pokontany, ary tsy latsaka ambanin’izany ny tompon’andraiki-panjakana mitarika izany ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, izay hiantoka ny fandaminana sy fandraisana ary ny fiarovana. Raha ny fandaminana dia ny 10 jolay izao no ho tonga an-tanindrazana ny kardinaly, ka avy hatrany dia hamonjy ny eny Andohalo. Ny 13 jolay kosa no hotsenaina eny amin’ny seranam-piaraminina Ambalamanasy ny tenany, ka filaraham-be no hanateran’ny vahoaka sy ny mpino katolika azy eny Ampasimazava hisian’ny trano fonenany sy ny birao fiasany izay sambany no nisy kardinaly hanana birao aty amin’ny faritra izany teto amintsika hatramin’izay.

 

Rakoutou

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT