Kardinaly Désiré Tsarahazana

Hanatrika ny fandevenana ny Papa Fransoa


  • Alakamisy 24 Aprily 2025

Handeha any Roma hanatrika ny fandevenana an’i Papa Fransoa fandevenana an’i Papa Fransoa

any Roma ny sabotsy izao ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Arsevekan’i Toamasina, sy Mgr Fabien Raharilamboniaina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. Izy roa lahy no hisolo tena ny Fiangonana Katolika eto Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao, omaly hariva no nanaainga hihazo an’i Roma izy ireo. Ho an’ny Kardinaly Tsarahazana, dia hitohy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fivorian’ireo kardinaly sy ny « conclave » ny fivahinianany any amin’ny Tanàna Masina. Nambaran’ny Kardinaly omaly teny Antanimena fa zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fahafahana mandray anjara amin’ny « conclave », ka nangataka vavaka ho fanohanana amin’izany andraikitra lehibe izany izy. Raha tsiahivina, miisa 138 ireo kardinaly latsaky ny 80 taona afaka mandray anjara amin’ny fifidianana, ka anisan’i ny Kardinalin’i Madagasikara. Marihina fa sambany no handray anjara amin’ny « conclave » ny Arsevekan’i Toamasina, ary izy no Malagasy fahatelo hanatrika fifidianana Papa, taorian’ny Kardinaly Victor Razafimahatratra sy ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra. Araka ny fanambarany omaly dia tsy hiverina eto an-tanindrazana izy raha tsy vita tanteraka ny fifidianana Papa vaovao.Bas du formulaire “Tsy hitodi-doha eto Madagasikara izy araka ny nambarany raha tsy vita izay fifidianana izay”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT