Fito taona katroka ny alatsinainy 9 janoary lasa teo ny nahafatesan’ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra, fantatra tamin’ny fitarihana ny fiangonana Katolika teto Madagasikara.
Ny 9 janoary 2010 izy no nodimandry tany Mahajanga teo amin’ny faha-85 taonany. Oloben’ny finoana sy ny fiangonana Katolika teto amintsika ity kardinaly efa nodimandry, izay efa nitana ny toeran’ny Arsevekan’Antananarivo ny taona 1994 ka hatramin’ny taona 2005 ity. Fantatra tamin’ny herim-po sy ny fotokevitra tsy azo hozongozonina ny tenany, ka hahatadidiavan’ny maro azy ilay foto-kevitra tsy nanaiky hatramin’ny farany ny fampiasana ny kapaoty, ho an’ny mpino katolika sy ny Malagasy manontolo mihitsy. Hatramin’ny fodiamandrin’ity kardinaly nalaza ity dia tsy mbola nisy hatramin’izao ny fanendrena kardinaly ho an’i Madagasikara, izay ny foiben’ny fiangonana katolika amin’ny alalan’ny Papa François no tompon-teny farany amin’izany. Na dia nivadibadika aza ny volana sy ny taona dia tsy afaka am-pon’ny Katolika ity mpitondra fivavahana nanana ny naha izy azy ity, ka tsy mandalo fotsiny ho an’ny mpino izao fitsingerenan’ny taona nahafatesan’ny Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra izao, fa misy ny hetsika ara-pinoana isan-karazany hanamarihana azy. Anisan’ny misongadina ny lamesa lehibe tanterahina any Mahajanga anio alarobia 11 janoary 2017.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.