Finoana

Kaominina Ankadikely Ilafy Nitondra am-bavaka ireo kandida


  • Alatsinainy 13 Jolay 2015

« Miverena ry zaza, hoy Jehovah fa izaho ihany no vadinareo. Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo sy roa isam-pokony ka ho hoentiko ho any Ziona ianareo dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo izay anareo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena » Jeremia 3. 14-15.

 

 Io  andalan-tsoratra masina io no nindramin’ny laika Raharison Vidot, nitondrana hafatrafatra  ho an’ireo  kandida ben’ny tanàna sy mpanolotsaina teny amin’ny kaominin’Ankadikely Ilafy  omaly  alahady  tolakandro  nandritra ny  fotoam-pivavahana  natokana ho an’ireo mpilatsaka hofidiana izay natao  tao amin’ny hotely « Le Suc de la Ruche ». Andriamanitra no tokony  hiankinan’ny  vahoaka tsy mandady harona hanolo-tsaina azy amin’ny  hisafidianana izay olona izay hitondra azy, hoy ny toriteny ary mbola  Andriamanitra ihany koa no tokony  hatahoran’ny  olona mpilatsaka hofidiana saingy ny mampalahelo ankehitriny dia lasa fitaovana sy tohatra fiakarana  ho an’ny mpanao politika sasany ny fiangonana. Ny fiangonana dia tokony hohenoina amin’ny  maha mpanolotsaina ny  olon-drehetra azy,  hoy hatrany ny laika Raharison Vidot. Ny kandida  Randriamanganoro Georges avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, ihany moa no tonga nanome voninahitra ity  fotoam-pivavahana  izay  nokarakarain’ny fikambanana Mahefasoa avy ao Ambohitrarahaba raha solontena kosa no nalefan’ny  kandida Ravelonanosy Bruno avy amin’ny antoko HVM.

Andry Ratovo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT