Finoana

Kaominina Andoharanofotsy Hisaotra an’Andriamanitra noho ny fahavitan’ny asa marobe


  • Sabotsy 09 Desambra 2017

Fotoan-dehibe ho an’ny kaominina Andoharanofotsy ny datin’ny 22 desambra ho avy izao.

Hanatanteraka fotoam-pivavahana lehibe ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra izy ireo  amin’io andro io noho ny fahavitany ireo asa marobe notontosaina teo anivon’ny kaominina. Ao amin’ny fiangonana Fjkm Mahalavolona no hanatanterahana izany, tarihin’ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina. Ankoatra io dia hisy ihany koa ny fitrotroana am-bavaka ny lalan-kodiavin’ny kaominina amin’ny taona 2018 ho avy io sy ny firenena Malagasy iray manontolo. Hafa ihany mantsy ny manankina ny fiainana amin’Andriamanitra mba hampirindra araka ny tokony ho izy izay asa kasaina hatao. Nomarihiny manokana moa fa betsaka ny asa vitan’izy ireo tamin’ity taona 2017 madiva hivalona ity. Anisan’ireny ny fametrahana ny polisy kaominaly, ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ireo sekoly miisa 70 ao an-toerana, ny fandaminana ny tsena izay efa nahitana  ny vahaolana ankehitriny… Tsy misy moa ny fanasana manokana fa ny rehetra no hantsoina na iza na avy aiza.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT