Mitotongana ny toekarena, mikatona ny ankamakaroan’ny ny sekoly sy ny CSB, mitsoa-ponenana ny mponina…
Ampahany amin’ny fiantraikan’ny tsy fandriampahalemana iainan’ny Malagasy, tsy ambanivolo tsy an-tanandehibe ireo ary anisan’ny nivoitra tamin’ny fehin-kevitry ny fihaonamben’ny Vaomieran'ny Eveka momba ny rariny sy ny fandriampahalemana (Justice et Paix) avy amin’ny diosezy katolika miisa 20, natao teny By Pass ny herinandro teo. Niainga tamin’ny fangatahan’ny Eveka tamin’ny fivorian’izy ireo ny volana aogositra teo ny nandinihana izany ary nijerena ny zava-misy eny ifotony momba ity tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana ity araka ny fanazavan’ny mompera Rajoelison Germain, Sekretera jeneralin’ny « Justice et Paix ». Manoloana izany dia nanamafy indray ny fangatahany ny mba hifampidinihana Fivondronamben’ny Eveka sy ny mpitondra ato anatin’ny fotoana fohy ny « Justice et Paix » hijerena vahaolana momba ity tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana ity. Manentana ireo mpikambana « Justice et Paix » ihany koa ny fihaonambe mba hiara-kiasa amin’ny mpitondra isan’ambaratongany any amin’ny faritra ary hitatitra ny tsy rariny sy tsy fahamarinana miseho. “Tsy tokony hiseho intsony ny olona ambonin’ny lalàna » koa dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanabeazana ny olom-pirenena hanaja lalàna sy ny hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitondra sy ireo tompon’andraikitra samihafa, toy ny mpitandro ny filaminana, mpitsara ny fihaonambe.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.