Jobily volafotsin’ny Sampati FJKM Kristy Fehizoro

Hanao seho an-tsehatra ny Kerobima Ankatso


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Ao anatin’ny fankalazàna ny jobily volafotsin'ny Sampana mpanazava sy tily na Sampati,

fivondronana saha 203e, ao amin’ny FJKM Kristy Fehizoro Antsampanimahazo Ambohitrimanjaka dia hisy ny seho an-tsehatra ataon'ny Kerobima Ankatso ao an-toerana ny alahady 9 martsa 2025 ho avy izao, manomboka amin'ny 2 ora sy sasany, hoy ny fampitam-baovao voaray. «Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo!», hoy ny voasoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Matio 5 : 16a. Izay no teny filamatra noraisina ho fanamarihana izao fankalazàna izao. Ireo mponin’Ambohitrimanjaka tsy an-kanavaka kosa no asaina amin’ity hetsika fiderana an’Andriamanitra ity, hoy hatrany ny fanazavana sy fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT