Finoana

Jobily Pastora Dr Rakoto Endor Modeste Anjaran’ny SP Fisakana no nankalaza azy ny alahady teo


  • Talata 03 Jona 2014

Tontosa tao amin’ny FLM Antetezantany Fandriana ny sabotsy 31 mey sy ny alahady 01 jona 2014 teo ny jôbily fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy fankasitrahana ny pastora Dr Rakoto Endor Modeste mivady, Filohan’ny FLM, teo anivon’ny synodam-paritany Fisakana.

 “Ary ny famindrampony dia amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka faramandimby” (Lioka I: 50) no teny faneva nandritra izao lanonana izao. Vory marobe tao Antetezantany ireo kristianina Loterana ao amin’ny Synodam-paritany Fisakana, niara-nidera sy nankalaza an’Andriamanitra ny alahady teo. Niatrika izany ireo manampahefana maro toy ny lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania, lehiben’ny Distrikan’i Fandriana ary ny Depiote voafidy tao Fandriana sy Ambositra sy ny PDS Fandriana. Nandritra ny fotoam-pivavahana dia nisy ny famakiana ny tantaram-piainan’izy mivady izay nanasongadinana fa nahavita be teo anivon’ny finoana Loterana izy ireo, satria efa hatramin’ny taona 2004 no voafidy ho Filohan’ny FLM, mandà fahatelo izao itondràny ny FLM izao (2012-2014). Tanterahina manerana ny synodam-paritany FLM 23 mandritra ny taona 2014 izao jobily izao.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT