Taorian’ny fanombohana ny taon-jaobily faha-50 ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sy ny faha-200 taona nahatongavan’ny LMS (London Missionary Society) tany Antsiranana ny volana aogositra 2017 sy ny ivon’ny fankalazana tany Toamasina ny volana aogositra 2018 teo,
dia eto Antananarivo no hamaranana ny taon-jaobily amin’ity volana oktobra ity. Tapaky ny Komitin’ny Fankalazana tarihin’i Marc Ravalomanana ary fa ny 19-21 oktobra izao no fotoan-dehibe ho an’ny mpino FJKM. Nampahafantatra ny pitsopitsony tetsy amin’ny Tranon’ny Foibe FJKM tetsy amin’ny tohatohabaton’Antananinarenina ireo solontenan’ny Komity fankalazana tamin’ny alalan’ny Pasitera Roger Randriamisata sy Atoa Rajemison Rakotomaharo. Toy izao ny ambangovangon’ny hetsika sy ny fandaharam-potoana : ny zoma 19 oktobra manomboka amin’ny 5 ora hariva, dia eny amin’ny FJKM Andrainarivo no hifamotoana ny mpino rehetra. Famelabelaran-kevitra no hatao amin’io. “Ny mpino Protestanta miatrika ny fiainam-pirenena” no lohahevitra hovoaboasana mandritra izany. Ho avy handray anjara sy hanome voninahitra ireo mpitantana lehibe teo anivon’ny FJKM mbola velon’aina. Ny sabotsy 20 oktobra kosa dia hisy fanompoam-pivavahana lehibe sy fitokanana ny tsangambaton’ny jobily, eny amin’ny Kolejy Teôlôjika Ivato, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Ity Kolejy teôlojika ity, izay natao hampiroboroboana ny fanofanana mpitandrina ho maro kokoa noho ny teo aloha satria anisan’ny foto-kevitra ifotoran’ny FJKM rahateo ny hoe “Vontosy Filazantsara i Madagasikara. Hisy ny antsam-piderana sy koranam-pianakaviana arahina fiaraha-misakafo. Ny alahady 21 oktobra kosa no tena hamaranana ny taon-jobily eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ka fanompoam-pivavahana goavana iombonan’ny zanaky ny FJKM rehetra no hatao eny an-toerana, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hisokatra vao maraina ny vavahady, ary hikatona ireo fiangonana FJKM eto Antananarivo sy ny manodidina, fa eny Mahamasina ny rehetra no hiara-kamarana tanteraka ny taon-jaobily. Hisy Asa sy Fampaherezana amin’io alahady 21 oktobra io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.