Jobily faha-100 taonan’ny FFPM

> Miditra amin’ny ivon’ny fankalazana manomboka anio


  • Talata 08 Oktobra 2013

Hotanterahina ao anatin’ny Fivoriambe faha-15 sy ny Komitin’ny Protestanta faha-84 atao manomboka anio 8 oktobra ka hatramin’ny alahady 13 oktobra ny ivon’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny FFPM.

Hiavaka ao anatin’izany ny sabotsy 12 oktobra ny sakafon-jobily hatao ao amin’ny Espace Lion d’Or Anosy Avaratra manomboka amin’ny mitataovovonana. Izany no natao, hoy ny fanazavana nomen’Atoa Rajerison Honoré sekretera jeneralin’ny komitin’ny jobily faha-100 taona, dia hoentina hanohanana ny fananganana ny tsangambaton’ity jobily ity dia ny « Station Radio Protestanta ». Ny alahady 13 oktobra indray dia hitsy ny fotoam-pivavahana lehibe hotanterahina ao amin’ny kianja maitson’Antsahamanitra manomboka amin’ny 10ora maraina tarihan’ny filohan’ny fiangonana roa tonta izay ialohavan’ny filaharamben’ireo sampana rehetra ao amin’izy ireo miainga eny Ambohijatovo, Mahamasina ary Ampefiloha. Ny tolakandro moa dia hisy ny « Chorallye » na antsan-kira lehibe handraisan’ireo antoko mpihitra avy amin’ny FLM sy FJKM eto Antananarivo Renivohitra anjara.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT