Finoana

JMJ Mada Hentitra ny fanaraha-maso amin`ny fahadiovana


  • Talata 02 Oktobra 2018

Tanora manodidina ny 50 000 no andrasana mandritra ny fihaonamben’ny tanora katolika JMJ Mada andiany faha-9 hatao any Mahajanga.

 

 

Nisy ny fivoriana narahin’asa niarahana tamin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila isan-tsokajiny eo anivon’ny Faritra ho fanomanana sy fikarakarana ny fandraisana ny fihaonambe. Noresahina tao ny mikasika ny toerana handraisana ireo tanora ireo. Ny fitondram-panjakana foibe ihany koa dia nanome tanana amin’ny fanomanana ny JMJ Mada hatao any Mahajanga ity, ary nanambara ny praiminisitra Ntsay fa hisy ny fanatsarana bebe kokoa ireo lalana miditra amin’ireny “sites d’hébergement” ireny, ny fanatsarana ny fanazavana any amin’ireo sites miisa 50 handray ny vahiny. Hojerena amin’ny antsipiriany ihany koa ny mahakasika ny filaminana sy ny fandriampahalemana, satria fantatsika fa mifanindry amin’ny fanokafana ny fampielezan-kevitra ny hanaovana ny fanokafana ny JMJ”. Notsindriana manokana kosa ny mahakasika ny fahadiovana sy ny fidiovana ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina samihafa, amin’izao fifamezivezen’ny olona maro izao. Araka izany dia hampiana ny rano hampiasaina amin’ireo toerana handraisana ny mpivory, amin’ny alalan’ny fametrahana tobin-drano. Hisy ihany koa ny fametrahana dabam-pako ary hotandrovina ny fahadiovan’ny tanàna ka ho eo ambany fitarihan’ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga ny fanatanterahana izany. Nanararaotra nijery ny asa vita avy amin’ny famatsiam-bola omen’ny fanjakana foibe, tamin’ny alalan’ny FDL, ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana hiarahana amin’ny tetikasa PAPSP sy PDCID ny praiminisitra sy  ny delegasiona notarihiny ka nitsidika ny kaominin’i Betsako, Distrikan’i Mahajanga II. Nanatrika ny fitsidihana ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Nidina tany amin’ny renivohitry ny Faritra Boeny, ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT