Finoana

JMJ Mada ao Antsirabe Nosokafana tamin’ny lamesa lehibe


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Lamesa lehibe tao Mandaniresaka, 5 km miala ny tanànan’Antsirabe no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Fihaonamben’ny tanora katolika na ny JMJ Mada andiany faha-10.

Nosakafana tamin’ny sora-dihy, famakiana ny hafatry ny Papa Fransoa ho an’ny tanora, ka nivoitra tao anatin’izany ny hoe: tsy tokony ho kivy ny tanora, manoloana ny tranga maro: hamehana sy krizy ara-pahasalamana niteraka fahasahiranana, ny ady any Ukraine. Manoloana ireo fahasarotana izay nampian’ny rivodoza, niantso ny tanora hitsangana, tsy hanaiky ho resin’ny fisalasalana, fa hanana vinavina, asa,… hanana fijery fahatokisana ny ho avy ny hafatry ny Papa, izay naneho fa tsy tokony ny hafa indray no andrasana. Notsipihina tao anatin’ny hafatra rahateo, fa ny tanora no tompon’ny ho avy. Hafaliana sy fahavononana moa no nanehoan’ireo tanora katolika ny fanokafana ny JMJ omaly. Manodidina ny 29 000 moa ireo tanora katolika avy amin’ireo diosezy manerana ny Nosy no miatrika ity JMJ Mada X atao any renivohitr’I Vakinankatra ity.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT