Finoana

JMJ MADA 2022 Amidy 2000 Ar ny iray kilao amin’ny vary ao Antsirabe


  • Talata 30 Aogositra 2022

Tanora manodidina ny 3.000 isa no andrasana ho avy ao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra manomboka amin’ity herinandro ity ao anatin’ny fanamarihana ilay andro maneran-tany ho an’ny tanora na ny JMJ Mada taona 2022.

Mba ho fanampiana ireo mpizaika ireo dia fantatra fa nandefa vary sy siramamy hamidy amin’ny vidiny mirary any amin’iny faritra iny ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana. Amidy 2.000 Ar ny iray kilao amin’ny vary raha 4.000 Ar kosa ny iray kilao amin’ny siramamy. Tanjona ny hanakaikezana hatrany ny mpanjifa amin’ny fanohanana ireo mpizaika raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra. Ankoatra izay dia fantatra fa hanara-maso ireo entana hamidy any an-toerana sy ny vidin’entana ihany koa ny fitaleovam-paritry ny ministeran’ny varotra ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Hojerena manokana ohatra ireo mpivarotra manararaotra mampiakatra vidin’entana. Toraka izany ihany koa ireo mivarotra entana simba na efa lany daty hisorohana ny loza mety hitranga. Tsiahivina moa fa efa saika an-dalana hiazo ny renivohitr’i Vakinankarara avokoa nanomboka omaly ireo mpizaika marobe ireo izay tsiahivina fa avy amin’ny fiangonana katolika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT