Finoana

JMJ Mada 2018 Miahiahy ny Katolika noho ny fifidianana filoham-pirenena


  • Zoma 13 Janoary 2017

Vinavinan’ny Vovonam-pirenena katolikan’ny Tanora hotanterahina ao an-drenivohitry ny Faritra Boeny ny 29 aogositra hatramin’ny 2 septambra 2018 ny Andro manerantany ho an’ny Tanora, na ny JMJ Mada (Journée mondiale de la Jeunesse) andiany faha-9.

 Nisy ny fampahafantarana ireo mpikambana ao amin’ity Komity mpanomana nasionaly katolika sy ny tantaran’ny JMJ, ary ny fanatanterahana ny JMJ faha-9 ao Mahajanga nataon’ny Evekan’i Mahajanga, Mgr Rakotondrajao Victor Solo tamin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar ny alarobia teo. Teo ihany koa ny fangatahana fiaraha-miasa tamin’ny Lehiben’ny Faritra amin’ny maha mpampiantrano sady tompon’andraikitra voalohany azy amin’ny resaka fampandrosoana ara-tsosialy eo amin’ny faritra. Tombanana hatrany amin’ny iray hetsy any ny mpizaika ho tonga ao Mahajanga amin’io fotoana io araka ny nambaran’ny Evekan’i Mahajanga.  Nametraka ny ahiahiany anefa izy ny amin’ny fahatanterahan’io havoriambe nasionaly io manoloana ny fisian’ny fifidianana filoham-pirenena amin’io taona 2018 io.   

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT