Finoana

JMJ Mada 10 Maherin’ny 30.000 isa ny mpizaika andrasana


  • Talata 23 Aogositra 2022

Maherin’ny 30.000 isa ny mpizaika andrasana ao Antsirabe ny 30 aogositra hatramin’ny 4 septambra izao mandritry ny andron’ny tanora andiany faha 10 na JMJ Mada 10 eto Madagasikara,

raha ny fanazavana fanampiny voaray tetsy amin’ny Episcopat Antanimena omaly. 28.509 ireo efa nisoratra anarana. Miisa 16 ireo toerana handraisana ny mpizaika. Miisa 60 eo kosa ireo trano fatoriana sy fisakafoana. Ho fitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny hetsika kosa dia hisy ny fitsirihana manokana ireo fiara hitondra ireo mpizaika izay hiandraiketan’ny ATT. Ho araha-maso koa ny mpamily. Entanina handeha atoandro ny mpizaika ary hanaja ny fandaminana, hoy ny mpitandro filaminana. Nampitomboina ny isan’ireo zandary, polisy, miaramila, manara-maso mandritry ny hetsika. Miisa 1300 kosa ireo fiara hitatitra ny mpizaika, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT