Finoana

JMJ DIOSEZY AMBOSITRA Tanora katolika 2 000 no miatrika izany ao Fandriana


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Nanomboka omaly alarobia 27 aogositra tao Fandriana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora (JMJ) eo anivon’ny diosezin’Ambositra. Teny fanevan’ity JMJ Diosezy Ambositra andiany faharoa ity ny “Andao handeha am-pitiavana tahaka an’i Kristy ka mandehana ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra”

Fotoana hivavahana sy hifanakalozana ara-pinoana ary fitaizana ny tanora ho olom-banona araka ny hafatry ny Papa Ray masina ny atao amin’ny JMJ. Hisy ny katesizy, fanentanana maro, dia mivavaka na pelerinazy mankany Milamaina ary fampisehoana iarahana amin’ny mpanakanto Vetson’i Fianara amin’ny alahady ho avy izao. Tsy hifarana ity JMJ ity raha tsy amin’ny alatsinainy 01 septambra izao. Tanora katolika 2 000 eo ho eo no miatrika izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT