Finoana

JMJ Brezila Tsy nanatrika ny fanokafana ny Papa François


  • Alakamisy 25 Jolay 2013

Na dia efa tonga any Brezila aza ny Papa François dia tsy nanatrika ny fanokafana ny fihaonamben’ny tanora katolika na ny JMJ tanterahina any an-toerana.

Andro iray mba nakany aina manko ny talata lasa teo satria feno dia feno ny fandaharam-potoan’ny Papa. Ny arsevekan’i Rio no nitarika ny lamesa fanokafana ny JMJ. Somary nanelingelina ny lanonana moa ny fahatapahan’ny metro nandritry ny ora roa mahery noho ny fahatapahan’ny herinaratra. Etsy andanin’izany dia mitohy hatrany ny hetsika fanehoan’ny vahoaka ny tsy fahafaliany noho ny olana ara-tsosialy ao Brezila. Araka ny fantatra dia nitsidika ny Notre Dame d’Aparecida, eo anelanelan’i Rio sy Sao Paulo ny Papa. Nitarika lamesa nanoloana mpino miisa 2 hetsy ny tenany. Avy teo izy dia nitsidika hopitaly hitsaboana ireo voagejan’ny zava-mahadomelina sy ny alikaola.  

ANA

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT