Finoana

JMJ andiany faha-9 any Mahajanga Nahemotra noho ny fifanitsahana amin’ny BEPC


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Hahemotra ny 8-14 oktobra ho avy izao ny Fihaonamben’ny tanora na ny JMJ Mada andiany faha-9 eo anivon’ny fiangonana katolika, any Mahajanga noho ny antony samihafa.

Io no fanambarana navoakan’ny Fivondronamben’ny eveka mitondra ny datin’ny 16 febroary teo. Anisan’ny antony lehibe indrindra amin’izany ny fifanitsahan’ny daty novinavinaina teo aloha amin’ny daty hanaovana ny fanadinam-panjakana BEPC, ary mifanakaiky amin’ny fanadinana hafa. Tsy voatazon’ny fanjakana tamin’ny fotoana voafaritra teo aloha ny fotoana hanaovana ny fanadinam-panjakana noho ny antony maro, toy ny fandalovan’ny pesta. Niezaka nandamina ny fandaharam-potoanany ny teo anivon’ny fiangonana katolika mba hitsinjovana ny zanaka Malagasy. Maro amin’ireo tanora katolika tokony hiatrika io fotoana io rahateo no handray anjara amin’ny fanadinam-panjakana. Tanora hatrany amin’ny 100 000 no handrasana ho avy any amin’ny tanànan’ny voninkazo amin’io fotoan-dehibe io. Tsara ny mampahatsiahy fa efa ny volana septambra no tonga any amin’ny diosezin’i Mahajanga ny lakroan’ny JMJ, izay nentina niala avy any amin’ny diosezin’i Fianarantsoa, izay nampiantrano ny JMJ farany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT