Finoana

JMJ 2018 Tanora iray hetsy no andrasana ao Mahajanga


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Nigadona tao Mahajanga omaly hariva ny Lakroan’ny JMJ IX amin’ny maha mpampiantrano ny Fihaonamben’ny tanora ity tanànan’ny voninkazo ity amin’ny taona 2018.

Vovonan'ny tanora avy amina diosezy 21 miampy fikambanana masina 12 no tonga any Mahajanga nanotrona ny fanaterana azy io. Haharitra 2 taona no hijanonany ao an-toerana. Niainga avy tany Belobaka, toerana nanombohana ny lalan'ny hazo fijaliana ny oloben’ny fiangonana sy ny mpino maro be notarihin'ny Evekan'i Mahajanga, Mr Rakotondrajao Roger Victor Solo, izay nandray ny lakroa masina, ka hatrao amin’ny Katedraly Fo Madion’i Maria ao Mahajanga be. Teo ivelan’ny katedraly no nanatanterahana ny fifanolorana ny Lakroa masina sy ny sarin'i Masina Maria teo amin'ny diosezin’i Fianarantsoa nampiantrano ny JMJ tamin’ny 2016 sy Mahajanga handray izany amin’ny 2018. Nisy ny lamesa lehibe fanandratana ny hazo fijaliana narahin’ny vavaka fiaretan-tory mandra-maraina. Votom-pifaliana sy fanantenana ireo Kristianina katolika satria tanteraka ny hafatra napetraky ny Papa Ray Masina, dia ny hitondrana sy hanaparitahana ny hazo fijaliana izay mariky ny famonjena. Porofon’ny fahavonan’i Mahajanga handray ny JMJ izany, ka tanora 100 000 no handrasana ho avy any an-toerana ny taona 2018. Anisan'ny nahazo fanasana manokana, ka niatrika ny lanonana any Mahajanga ny filohan'ny komitim-pankalazana ny faha-50 taonan'ny FJKM, Marc Ravalomanana sy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Randriamosarisoa Jean Anicet.

Toky

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT